<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>825</hymn_number>
<title>Raha manjavona ny andro FFPM825</title>
<lyrics>[V1]
 Raha manjavona ny andro
 voasarona avokoa
 Ny tendrombohitra avo
 sy ny lohasaha koa
 Sy ny renirano tsara izay
 mangarana madio.
 Tsy hita ankehitriny
 fa manjavona anio.

[C1]
   Na manjavona aza anio
   Nefa ao ambony ao
   Ny mazava lalandava
   Tsy miova na mandao //
   Matokia, ry sakaiza
   Aza kivy hianao. //

[V2]
 Raha misava indray ny andro,
 dia ho hita avo-koa
 Ny tendrombohitra avo
 sy ny lohasaha koa
 Sady ao ny renirano
 ka mangarana izao,
 Ka afaka ny zavona
 nanarona azy tao:
 Na manjavona aza anio, sns...

[V3]
 Raha mbola aty an-tany
 ka vahiny izahay,
 Manjavona matetika
 tokoa ny andronay.
 Na dia ao ny masoandro aza,
 takona izy 'zao
 Fa maizina ny andro,
 ka tsy fantatra fa ao:
 Na manjavona aza anio, sns...

[V4]
 Raha tapitra ny dian'ny fanahinao aty,
 Fatiny Ka lasan'Andriamanitra
 ho aminy ary,
 Tsy hanjavona ny andro,
 fa tsy misy rahona ao,
 Hazava ery an-danitra avokoa
 ny andronao.
 Na manjavona aza anio, sns...</lyrics>
</song>